2 Thessalonians 1

1Paoly, sy Silasy, ary Timoty, ho any amin’ny fiangonan’ireo Tesaloniana ao amin’Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo. 2Ho aminareo anie ny fahasoavana sy fiadanana avy amin’Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo.

3Izahay dia tokony hanome fisaorana an’Andriamanitra ho anareo foana, ry rahalahy. Fa izany no tsara atao, satria tena mitombo fatratra ny finoanareo, ary ny fitiavanareo tsirairay dia mitombo ho an’ny hafa. 4Noho izany dia izahay tenanay dia miteny am-pireharehana momba anareo eo amin’ireo fiangonan’Andriamanitra. Izahay dia miresaka ny momban’ny faharetanareo ary ny finoanareo tamin’ny izay rehetra nanenjehana anareo. Miresaka momban’ireo fahoriana izay niaretanareo. 5Izany dia famantarana ny fitsarana marin’Andriamanitra. Ny vokany dia horaisina ho mendrika ny fanjakan’Andriamanitra izay nijalianareo ianareo.

6Marina amin’Andriamanitra ny hamaly fahoriana ireo izay nampahory anareo, 7ary hanome fitsaharana ho anareo izay nampahoriana niaraka taminay. Ho ataony izany amin’ny fisehoan’i Jesosy Tompo avy any an-danitra miaraka amin’ireo anjelin’ny heriny. 8Ao amin’ny afo miredareda no hanaovany ny valifaty amin’ireo izay tsy mahalala an’Andriamanitra sy amin’ireo izay tsy mamaly ny filazantsaran’i Jesosy Tompontsika.

9Izy ireo dia hijaly amin’ny famaizan’ny fandringanana mandrakizay lavitry ny fanatrehan’ny Tompo sy ny voninahitry ny heriny. 10Hanao izany izy rehefa tonga amin’izany andro izany mba hanomezan’ny olony voninahitra azy sy higagan’ireo rehetra izay nino. Fa ny fijoroanay vavolombelona aminareo dia ninoana.

11Noho izany dia mivavaka mandrakariva ho anareo ihany koa izahay. Mivavaka izahay mba ho mendrika ny ho raisin’ny Andriamanitsika amin’ny fiantsoana ianareo. Mivavaka izahay mba ho tanterahiny amin’ny hery ny fanirianareo ny fahatsarana sy ny asan’ny finoana rehetra. Mivavaka ho an’ireo zavatra ireo izahay mba omenareo voninahitra ny anaran’i Jesosy Tompontsika. Mivavaka izahay mba hanomezany voninahitra anareo, nohon’ny fahasoavan’Andriamanitsika sy Jesosy Kristy Tompo.

12

Copyright information for PltULB